Noheveriko fa ho tiako foana.
Nampidirin'i mmmhh | 21 Okt, 2009Hay ve ka mety miova ny zavatra tiana rehefa mandroso ny taona e! Noheveriko manko fa tsy hiova mihintsy ny fitiavako,
Tsy resaka olon-tiana no teneniko eto an, fa resaka fitafy,
Nanohatra robe aho omaly tany @ mpivarotra, antonona ahy tsara le izy fa saingy ... fohy be loatra ny fahitako azy, nefa le mpivarotra milaza fa manendrika ahy le izy (mpivarotra koa ve moa tsy hanao izay hahalafo ny entany!!!)
dia nony tonga tany an-trano aho dia somary lasalasa kely ny saiko, raha izay fitiavako zipo /robe kely izay taloha !!! Tany am-pianarana isan'ny antony maha-bedy ahy ny fitiavako zipo kely, ary raha vao manakaiky ny lohaliko ilay izy dia tsy tiako be, na ambony kelin'ny lohalika aza,
Reefa mampanjaitra zipo dia ny 45 - 50cm ihany no ady eo,
Tsy noho iza na noho iza no nanaovako an'izany fa noho izaho ihany, rehefa a l'aise aho dia izay no zava-dehibe amiko.
Io fitafy io tokoa tsy ny olona no mibaiko anao @ io, fa ianao ihany no mahatsapa hoe mety amiko ve ity na tsia,
Tsy hoe tsy tiako intsony ny zipo / robe kely, fa ilay "izaho" hanao azy toa hitako tsy mety intsony,
Ny marina kokoa angamba dia hatramin'ny niasako, dia ilay voatery mitafy maotina, lasa tiana ho azy koa ilay fitafy maotina, ny antokom-piainana rahateo aty am-piasana foana, na ny fotoana hanaovana zipo na robe kely tsy nisy intsony dia lasa hafahafa ny masoko mahita ahy manao azy ireny.
Tsy hoe tsy manao mini-jupe / robe aho @ izao, fa ilay jupe / robe noheveriko fa lava be t@ zany, nefa efa ambonin'ny lohalika ny halavany an.
Fa ny short kely kosa aloha , satria iny no maha a l'aise ahy ao an-trano, dia rehefa misolo lamba avy miasa na rehefa week end dia mi-minishort, dia mbola tsy manelingelina ny masoko aloha iny hatram'izao,
za koa taloha tsy mba tia nisotro labiera izany... tsy mino mintsy ah hoe mety miova ilay fitiavako... kanefa ah tsy miasa @ bara... mila mofo sy kafe angamba no fanafodiny... Un Cornetto E Un Latte Bianco... Per Favore
Nampidirin'i simp 23 Okt 2009, 00:33"Un Cornetto E Un Latte Bianco... Per Favore"
??????????????????????????
Nampidirin'i mmmhh 23 Okt 2009, 08:54http://hery.blaogy.com/post/4/6776
;-)
Nampidirin'i simp 23 Okt 2009, 13:46Rehefa mitombo ny taona dia manaraka ho azy ny fiovana eny na dia fitiavana aza.
Nampidirin'i maeva74 25 Okt 2009, 02:55Mirary soa e!
hihihi !Maeva :ahoana koa zany mitombo taona miova fitiavana zany ? Mampataotsa beuh!
Nampidirin'i fahamarinana 31 Okt 2009, 21:47Tsy haiko fa ny ahy manokana toa tsy dia hitako ilay niova ,raha fomba fitafy no asiana resaka satria hatramin'izay ni-pataloha ka hatramin'izao ,hatramin'izay nahalana izany manao zipo zany dia mbola hatramin'izao koa !Ny niova angamba dia ny volo fohy ,taloha ,no lasa lava be satria kamo hanao volo isak'izay mahatsiaro!Fatorana dia basy eky !Tsy nohon'ny taona fa noho ny fahihirana !hihi !