Herin-taona tokoa mantsy izay!

Nampidirin'i mmmhh | 10 Nov, 2009

Vetivety tokoa dia miherina ny taona an,

herin-taona ohatr'izao efa somebiseby ery izahay roakely t@ zay fa ndeha hilaza @ ireo Ray aman-dreninay ny fikasahanay roa hiroso @ fanambadiana,

Ny RAD-ko moa eto an-tanana dia tsy dia nanahirana anay ny niresaka t@ izy ireo, fa ny azy kosa any Tana, dia tsy maintsy natao izay nahazoanay permission miaraka mba hahafahanay roa miakatra miaraka,

Tsy da nisy resaka inona loatra moa ny tany fa ny hafatrafatr'ireo RAD ny @ zany atao hoe fanambadiana izany, dia ny nametrapetraka ny fotoana hanaovana hihaonan'izy ireo (ny RAD-ny) @ ireo RAD-ko sy ny fotoana hanaovana ny vodiondry,

Mba somary lasa kely fotsiny ny saiko @ fihodin'ny taona e!  

 


9 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Herin-taona tokoa mantsy izay!"

  1. Dia oviana hafiriana taorian'izay ny fanambadiana ?

    Nampidirin'i Kdaombaramita 10 Nov 2009, 15:29
  2. Ary mbola tena tanora dia tanora kay Mmmhh an !
    Sarotra adinoina koa ireny fotoana manan-tantara ireny o !:-)

    Nampidirin'i fahamarinana 10 Nov 2009, 16:14
  3. tena mbola matsiro beuh !!!!
    mahafinaritra e, ny fitiavana ro no mandavĂ 

    Nampidirin'i ikalamako 10 Nov 2009, 18:33
  4. Hanambady , tsaroako ilay fotoana nahenoako izay feo izay toa tsy andriko ilay andro iray toa zato hihihi sa ahoana ry zareo ?

    Nampidirin'i maeva74 10 Nov 2009, 20:08
  5. Mandeha ny fotoana kah. Ao anatin'io fotoana mandeha io no iezahana hanaovana zavatra betsaka sy tsara.

    Nampidirin'i LeRastah 10 Nov 2009, 22:24
  6. firy ankizy zany zao? :P

    Nampidirin'i simp 11 Nov 2009, 16:14
  7. Fa tokony ho firy ankizy ao anatin'ny 1 taona ry Simp ?

    Nampidirin'i Kdaombaramita 12 Nov 2009, 09:52
  8. kdaombaramita > Telo volana taorian'izay no natao ny vodiondrinay, ary volana maromaro taorian'ilay vodiondry no vita ny soratra sy Mariazy, zany hoe vao t@ ity taona ity e,

    Simp > Ankizy??? hihih, Eo am-pandinihina izany indrindra izao,

    Nampidirin'i mmmhh 12 Nov 2009, 13:29
  9. kdom,
    za mba nieritreritra hoe: antsasaky ny fahefany :)

    kay mbola negative ny isany @ izao :)

    maroroa taiza ee
    ;-)

    Nampidirin'i simp 12 Nov 2009, 17:33