Mafy tokoa zany hoe "hilaozana" e?

Nampidirin'i mmmhh | 19 Nov, 2009

Tena marina fa aleo mandao toy izay ilaozana? Mafy ilay hilaozana ka,

Eeeeeeee, Lasa izy e, Ilay mpiara miasa tamiko, nafindra projet any Nigeria izy fa efa hadiva ho tapitra ny projet ataon-dry zareo eto Madagasikara.

Dryyy, na ny omaly izy nanangona ireo fitaovany taty am-piasana aza dia efa nanganohano ny masoko, ohatrany misy vato be ireny ny tendako mahita azy manorina ny fitaovany , fa niezahako nafenina azy ny endriko nefa toa tsikariny ihany.

Tsy niasa intsony izy androany maraina fa nanao veloma anay mpiara-miasa fotsiny ny niakarany teto,

Tsy tanako intsony ny ranomasoko teo am-panaovana veloma azy, .... "mifankahita foana isika any @ facebook" hoy izy nampitony ahy. Soa tokoa fa misy ny internet.

Mafy ka... izahay roa manko no iray birao, dia tonga dia tsapako banga be zany aho aty am-piasana,

Na ny mahita an'ity bureau-ny milamina be, ilay ordi maty tsy misy mampiasa, ilay seza tsy misy mipetraka, ..dia mampanembona be azy... zaho irery sisa no ato anatin'ity rindrina efatra ity, manoloana ity bureau anankiray banbangoana be eto anoloako ity, .......

Fa ny tena mampalahelo ahy koa ny tsy nafahako nanome zavatra ho souvenir de Madagascar ho azy, noheveriko fa ho hitako eo foana izy androany tontolo, dia saika androany zah vao hividy an'ilay izy, kinanjo... mangataha andro ihany e.

Atao ahoana fa fiainana daholo izany e, ... Cry


11 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Mafy tokoa zany hoe "hilaozana" e?"

  1. lalina koa zany! banga be ve ny toeram-piasanao ao? maninona raha entina miasa le nounours be ireny alo mandrapà! lol

    Nampidirin'i news2dago 19 Nov 2009, 13:51
  2. zay ilay fiainana fa mahereza e...Partir c'est un peu mourir hoy ny hiran'ny RR Majunga

    Nampidirin'i ikalamako 19 Nov 2009, 14:15
  3. Izaho irery ssa no mijery
    ity toerana mangadihady
    mahatsiaro va tena very
    ny eritreritra mahalavo

    Andresy ny fisarahana
    izay ateraky ny elanelan-tany
    t@ ity toerana ity
    nialan'ny fiaranèdalamby !
    mmmm mmmmm mmmm

    (Thierra bruno)

    (veloma an ,
    aza manadino an,
    manorata an )

    Nampidirin'i Kdaombaramita 19 Nov 2009, 14:49
  4. Izaho irery ssa no mijery
    ity toerana mangadihady
    mahatsiaro va tena very
    ny eritreritra mahalavo

    Andresy ny fisarahana
    izay ateraky ny elanelan-tany
    t@ ity toerana ity
    nialan'ny fiaranèdalamby !
    mmmm mmmmm mmmm

    (veloma an ,
    aza manadino an,
    manorata an )

    (Thierra bruno)

    Nampidirin'i Kdaombaramita 19 Nov 2009, 14:50
  5. news2dago > ka ilay nounours tsy miteny koa,

    ikalamako > tena ohatrany marina izany hira izany.

    efa nalana ndray ary izao ilay ordi fa juste bureau sy seza foana be no manoloana ahy eto zao koa,
    Tokony halana any haingana koa io bureau io mba tsy dia hanembonako azy be loatra ntsony ....

    Tena malahelo azy aho e, sniff sniff

    Nampidirin'i mmmhh 19 Nov 2009, 14:54
  6. kdaomba > mampalahelo be ilay hira.
    Misaotra e !

    Nampidirin'i mmmhh 19 Nov 2009, 14:56
  7. Izany no midika fa tsara tokoa ny fifandraisan'nn mpiara-miasa tao amin'ny toeram-piasanareo. Enga anie ho toy izany koa ny fifandraisana amin' izay mety ho solony eo, rehefa manomboka ny projet manaraka.

    Nampidirin'i LeRastah 19 Nov 2009, 16:09
  8. Izany no antony tsy hitiavako aeroport loatra... matetika misy fisarahana foana...

    tsy aleo mihaino an'i koike kely alou
    http://www.youtube.com/watch?v=NfvU6s6NAiI

    ity ny mosara,
    ca ira
    ;-)

    Nampidirin'i simp 19 Nov 2009, 16:40
  9. Eny oa,mafy tokoa aloha ny hilaozana e.
    Raha ilay olona handao mantsy toa variana mampirina entana, miantsena, sns... dia tsy dia tsapany loatra ny toerana'ilay olona hilaozana.
    fa inona moa fa dia mahereza hatrany ,ao face book indray mihaona.Soa tokoa 'ty Net ty an.

    Nampidirin'i tsambara3 19 Nov 2009, 17:07
  10. Eny tonga izao ny fotoana
    Izay hisarahana
    Eny tsapako fa hay
    Mafy tokoa ny fisarahana
    Eny tsy tantiko ny hanatrika
    Izao fotoana izao
    Mangoraka ny foko malahelo
    Ka dia veloma, veloma re no hapetrako
    Enga anie isika hisy fihaonana
    Indray andro any
    Amin’izay hifaly, hifampihomehy
    Sy hifampiantoraka
    Veloma e!
    Aza manadino e!
    Manorata

    Nampidirin'i maeva74 19 Nov 2009, 17:35
  11. Dia mahareza hatrany ary !Mafy tokoa ny hilaozana na ara-pinamana na hafa !Mbola hisy collegue hafa hanala fahangiginana na tsy ahasolo azy tanteraka aza e !
    Soa lahy eo fetsyboka(fb),mandany andro ao kah,tsy maha-irery ,sa ahoama Maeva,Kidaomba,Ikalamako ,n2d ! ;-p

    Nampidirin'i fahamarinana 20 Nov 2009, 11:03