Hanao Fanadiovana Faobe

Nampidirin'i mmmhh | 29 Des, 2010

Tapaka ny hevitro fa hanao "Grand menage" ,

 fanadiovana faobe ny loton'ny 2010 alohan'ny hiavian'ny 2011, fa tsy haiko na ho vitako na tsia,

raha fako sy ny loto mivaingana vita ihany, ny trano, ny vatako, ny fitafiana sy ny manodidina... fa ny fanadiovana ny saina, ny fo sy fanahy toa tsy ho mora ny hahavita izany ka;

Ny zavatra nampiteraka lonilony tato amiko, ny nahatezitra sy nampalahelo t@ iny taona iny mba hesorina any daholo fa miteraka loto be ato anaty, .. Mba hidiran'ny loto vaovao indray sao dia hiavovona eo ny loto ka hivadika areti-mandoza eo indray,

Dia mirary sahady ny rehetra ho tratry ny taom-baovao indray ary hanao fety tsara hitsenana izany, dia ho enga anie ka ho voadio daholo ny fakon'ny taona 2010 ntsika tsirairay avy.

Mafy tokoa zany hoe "hilaozana" e?

Nampidirin'i mmmhh | 19 Nov, 2009

Tena marina fa aleo mandao toy izay ilaozana? Mafy ilay hilaozana ka,

Eeeeeeee, Lasa izy e, Ilay mpiara miasa tamiko, nafindra projet any Nigeria izy fa efa hadiva ho tapitra ny projet ataon-dry zareo eto Madagasikara.

Dryyy, na ny omaly izy nanangona ireo fitaovany taty am-piasana aza dia efa nanganohano ny masoko, ohatrany misy vato be ireny ny tendako mahita azy manorina ny fitaovany , fa niezahako nafenina azy ny endriko nefa toa tsikariny ihany.

Tsy niasa intsony izy androany maraina fa nanao veloma anay mpiara-miasa fotsiny ny niakarany teto,

Tsy tanako intsony ny ranomasoko teo am-panaovana veloma azy, .... "mifankahita foana isika any @ facebook" hoy izy nampitony ahy. Soa tokoa fa misy ny internet.

Mafy ka... izahay roa manko no iray birao, dia tonga dia tsapako banga be zany aho aty am-piasana,

Na ny mahita an'ity bureau-ny milamina be, ilay ordi maty tsy misy mampiasa, ilay seza tsy misy mipetraka, ..dia mampanembona be azy... zaho irery sisa no ato anatin'ity rindrina efatra ity, manoloana ity bureau anankiray banbangoana be eto anoloako ity, .......

Fa ny tena mampalahelo ahy koa ny tsy nafahako nanome zavatra ho souvenir de Madagascar ho azy, noheveriko fa ho hitako eo foana izy androany tontolo, dia saika androany zah vao hividy an'ilay izy, kinanjo... mangataha andro ihany e.

Atao ahoana fa fiainana daholo izany e, ... Cry

Herin-taona tokoa mantsy izay!

Nampidirin'i mmmhh | 10 Nov, 2009

Vetivety tokoa dia miherina ny taona an,

herin-taona ohatr'izao efa somebiseby ery izahay roakely t@ zay fa ndeha hilaza @ ireo Ray aman-dreninay ny fikasahanay roa hiroso @ fanambadiana,

Ny RAD-ko moa eto an-tanana dia tsy dia nanahirana anay ny niresaka t@ izy ireo, fa ny azy kosa any Tana, dia tsy maintsy natao izay nahazoanay permission miaraka mba hahafahanay roa miakatra miaraka,

Tsy da nisy resaka inona loatra moa ny tany fa ny hafatrafatr'ireo RAD ny @ zany atao hoe fanambadiana izany, dia ny nametrapetraka ny fotoana hanaovana hihaonan'izy ireo (ny RAD-ny) @ ireo RAD-ko sy ny fotoana hanaovana ny vodiondry,

Mba somary lasa kely fotsiny ny saiko @ fihodin'ny taona e!  

 

Noheveriko fa ho tiako foana.

Nampidirin'i mmmhh | 21 Okt, 2009

Hay ve ka mety miova ny zavatra tiana rehefa mandroso ny taona e! Noheveriko manko fa tsy hiova mihintsy ny fitiavako,

Tsy resaka olon-tiana no teneniko eto an, fa resaka fitafy,

Nanohatra robe aho omaly tany @ mpivarotra, antonona ahy tsara le izy fa saingy ... fohy be loatra ny fahitako azy, nefa le mpivarotra milaza fa manendrika ahy le izy (mpivarotra koa ve moa tsy hanao izay hahalafo ny entany!!!)

dia nony tonga tany an-trano aho dia somary lasalasa kely ny saiko, raha izay fitiavako zipo /robe kely izay taloha !!! Tany am-pianarana isan'ny antony maha-bedy ahy ny fitiavako zipo kely, ary raha vao manakaiky ny lohaliko ilay izy dia tsy tiako be, na ambony kelin'ny lohalika aza,

Reefa mampanjaitra zipo dia ny 45 - 50cm ihany no ady eo,

Tsy noho iza na noho iza no nanaovako an'izany fa noho izaho ihany, rehefa a l'aise aho dia izay no zava-dehibe amiko.

Io fitafy io tokoa tsy ny olona no mibaiko anao @ io, fa ianao ihany no mahatsapa hoe mety amiko ve ity na tsia,

Tsy hoe tsy tiako intsony ny zipo / robe kely, fa ilay "izaho" hanao azy toa hitako tsy mety intsony,

Ny marina kokoa angamba dia hatramin'ny niasako, dia ilay voatery mitafy maotina, lasa tiana ho azy koa ilay fitafy maotina, ny antokom-piainana rahateo aty am-piasana foana, na ny fotoana hanaovana zipo na robe kely tsy nisy intsony dia lasa hafahafa ny masoko mahita ahy manao azy ireny.

Tsy hoe tsy manao mini-jupe / robe aho @ izao, fa ilay jupe / robe noheveriko fa lava be t@ zany, nefa efa ambonin'ny lohalika ny halavany an.

Fa ny short kely kosa aloha , satria iny no maha a l'aise ahy ao an-trano, dia rehefa misolo lamba avy miasa na rehefa week end dia mi-minishort, dia mbola tsy manelingelina ny masoko aloha iny hatram'izao,

Ny toetrako @ ankapobeny

Nampidirin'i mmmhh | 5 Jio, 2009

Vehivavy tsy dia miresaka, ataon'ny olona hoe miavona, tsy mahay mampiresaka fa mahay miresaka ... nefa saro-kenatra aho no tena marina,
Tsy dia haiko loatra ny manantona olona vaovao ahy, de izany koa mety antony tsy hitiavako olona mitovy toetra amiko, satria hihanahana be eo fotsiny izahay, tsy mahita resahina,

ny ankamaroan'ny namako, na lahy na vavy de le olona be resaka ireny satria zah olona efa tsy ahintan-teny firy, dia miresaka ho azy zah reefa mifandray @ olona be resaka,

Ary matetika koa ny olona tsy mifandray amiko milaza hoe miavona hono zah, fa reefa mifankahazatra izahay dia tsy maintsy miteny ny ankamaroan'ny namako hoe "ary ndry tia anie ataonay fa ilay olona miavona be ireny e, hay ndry ty olona miresaka tsara, tia sangisangy,.."

Ny Toetra ratsiko be dia be, fa ny toetra tena mandreraka ahy aty amiko izay hezahiko alana nefa tsy haiko fa efa raiki-tapisaka amiko le izy :
matetika ny olona milaza ahy fa MASIAKA, ary tsapako ilay izy, rah olona mbola tsy mifankazatra amiko no miresaka amiko dia 99% mba tsy hilazako hoe ny rehetra dia miteny hoe masiaka hono aho,
Ny anton'izay ndray aloha mety fantatro ihany, reefa olona tsy mifankazatra amiko, tsy haiko ny miresaka aminy, dia rah miresaka izahay dia ohatrany hoe "ferme" be zany ny valin-teniko, dia ...mety ho izay angamba..asa??
Eny e, na ireo mifankazatra amiko aza milaza an'zany koa, fa efa zatra ry zareo hoe izay zany no firesako, tsy manisy olana an'le izy,

Dia ny toetra ratsiko mandreraka be koa, dia ilay sarontin-javatra, tia zavatra milamina sy madio... tsy tiako ny olona makamaka ny zavatro tsy miera amiko, tena tsy tiako. tsy tiako koa ny olona manankorotan-trano, ,

tsara ny tia zavatra milamina fa reefa diso tafahoatra le izy dia lasa toetra ratsy, hany ka lasa matetika mifamaly @ olona iray trano amiko zah reefa misy miparitadriktaka na mipetrapetraka tsy @ toerany, ... tsy fantatro na ry zareo no tsy mivaky loha na izaho no diso sarotiny loatra. Miezaka tsy miteny zah ndraindray fa reefa tena tsy tantiko de tsy maintsy tafiteny e....

... Ny toetra ratsiko be dia be fa ireo no tena mibaribary sy tsapako .... Laughing

17:10:49

 

Tonga soa iha !!!

Nampidirin'i mmmhh | 11 Mey, 2009

Mahafinaritra ahy ny mamaky ny blaogin'ny namana ato @ serasera, de mba namorona koa ny tenanay, nefa toa tsy haiko akory ny mampiasa azy??? hi hih ihihi

Haiko miandalana eny foana io e,

 (tohiny)