Ny toetrako @ ankapobeny
Nampidirin'i mmmhh | 5 Jio, 2009Vehivavy tsy dia miresaka, ataon'ny olona hoe miavona, tsy mahay mampiresaka fa mahay miresaka ... nefa saro-kenatra aho no tena marina,
Tsy dia haiko loatra ny manantona olona vaovao ahy, de izany koa mety antony tsy hitiavako olona mitovy toetra amiko, satria hihanahana be eo fotsiny izahay, tsy mahita resahina,
ny ankamaroan'ny namako, na lahy na vavy de le olona be resaka ireny satria zah olona efa tsy ahintan-teny firy, dia miresaka ho azy zah reefa mifandray @ olona be resaka,
Ary matetika koa ny olona tsy mifandray amiko milaza hoe miavona hono zah, fa reefa mifankahazatra izahay dia tsy maintsy miteny ny ankamaroan'ny namako hoe "ary ndry tia anie ataonay fa ilay olona miavona be ireny e, hay ndry ty olona miresaka tsara, tia sangisangy,.."
Ny Toetra ratsiko be dia be, fa ny toetra tena mandreraka ahy aty amiko izay hezahiko alana nefa tsy haiko fa efa raiki-tapisaka amiko le izy :
matetika ny olona milaza ahy fa MASIAKA, ary tsapako ilay izy, rah olona mbola tsy mifankazatra amiko no miresaka amiko dia 99% mba tsy hilazako hoe ny rehetra dia miteny hoe masiaka hono aho,
Ny anton'izay ndray aloha mety fantatro ihany, reefa olona tsy mifankazatra amiko, tsy haiko ny miresaka aminy, dia rah miresaka izahay dia ohatrany hoe "ferme" be zany ny valin-teniko, dia ...mety ho izay angamba..asa??
Eny e, na ireo mifankazatra amiko aza milaza an'zany koa, fa efa zatra ry zareo hoe izay zany no firesako, tsy manisy olana an'le izy,
Dia ny toetra ratsiko mandreraka be koa, dia ilay sarontin-javatra, tia zavatra milamina sy madio... tsy tiako ny olona makamaka ny zavatro tsy miera amiko, tena tsy tiako. tsy tiako koa ny olona manankorotan-trano, ,
tsara ny tia zavatra milamina fa reefa diso tafahoatra le izy dia lasa toetra ratsy, hany ka lasa matetika mifamaly @ olona iray trano amiko zah reefa misy miparitadriktaka na mipetrapetraka tsy @ toerany, ... tsy fantatro na ry zareo no tsy mivaky loha na izaho no diso sarotiny loatra. Miezaka tsy miteny zah ndraindray fa reefa tena tsy tantiko de tsy maintsy tafiteny e....
... Ny toetra ratsiko be dia be fa ireo no tena mibaribary sy tsapako ....
17:10:49